Warning: file_put_contents(/opt/frankenphp/design.onmedianet.com/storage/proxy/cache/bf74ffb4b0a39a6ec007b6e1e1cd1da2.html): Failed to open stream: No space left on device in /opt/frankenphp/design.onmedianet.com/app/src/Arsae/CacheManager.php on line 36

Warning: http_response_code(): Cannot set response code - headers already sent (output started at /opt/frankenphp/design.onmedianet.com/app/src/Arsae/CacheManager.php:36) in /opt/frankenphp/design.onmedianet.com/app/src/Models/Response.php on line 17

Warning: Cannot modify header information - headers already sent by (output started at /opt/frankenphp/design.onmedianet.com/app/src/Arsae/CacheManager.php:36) in /opt/frankenphp/design.onmedianet.com/app/src/Models/Response.php on line 20
Fary — Wikipedia Hankany amin'ny vontoatiny

Fary

Avy amin'i Wikipedia
Tanim-pary
Tahom-pary

Ny fary dia zavamaniry famboly, volena indrindra hahazoana siramamy izay alaina avy amin' ny tahony. Ao amin' ny vondron-karazana Saccharum, ao amin' ny fianakaviana Poaceae na Gramineae, sy ny zana-pianakaviana Panicoideae ity zavamaniry ity, Eo anelanelan' ny 2 sy 6 m ny halavan' ny fary ary mety mahatratra 5 sm ny savainony rehefa lehibe.

Teo amin' ny tantara dia efatra no karazana fary novolen' ny olombelona voalohany indrindra avy eny amin' ny natiora, indrindra ny Saccharum officinarum (novolen' ny Papoa any Ginea Vaovao), ny Saccharum sinense (novolen' ny Aostrôneziana tany Taioàna sy tany amin' ny tapany atsimo amin' i Sina), ny Saccharum barberi (novolena tany India taorian' ny fampidirana ny Saccharum officinarum). Novolena tany Ginea Vaovao koa ny Saccharum robustum.

Ankehitriny ny Saccharum officinarum dia ampivadina amin' ny Saccharum spontaneum, amin' ny Saccharum robustum, amin' ny Saccharum sinense, ary amin' ny Saccharum barberi, mba hahazoana vokatra tsara kokoa. Nanampy azy ireo ny vondron-karazana mifanakaiky aminy (Miscanthus sy Narenga ary Erianthus.). Ny fary no miantoka ny famokarana siramamy betsaka indrindra (70 hatramin' ny 80 %). Anamboarana alkaola (etanôly) koa ny ranom-pary.

Mihoatra ny 1,9 lavitrisa taonina (raha mbola vaovao) na 570 tapitrisa taonina eo ho eo (rehefa maina) ny habetsaky ny famokarana fary isan-taona, ka mhatonga azy io ho iray amin' ny zavamaniry ambolena betsaka indrindra maneran-tany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]